Romans 11

1Ary niteny aho, narian’Andriamanitra ve ny olony? Sanatria anie izany. Fa izaho ihany koa dia Isiraelita, taranak’i Abrahama, avy amin’ny fokon’i Benjamina. 2Andriamanitra dia tsy nanary ny olony, izay efa fantany teo aloha. Tsy fantatrareo ve izay voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Elia, dia ilay fitarainany tamin’Andriamanitra namely an’Israely? hoe: 3Tompo, izy ireo dia namono ireo mpaminaninao, namotika ny alitaranao. Izaho irery sisa tavela, ary mifofo ny aiko izy ireo.”

4Fa inona no valin-teny nambaran’Andriamanitra azy? “Nanokana fito arivo lahy ho an’ny tenako Aho izay tsy nandohalika teo amin’ny Bala.” 5Dia toy izany, amin’izao ankehitriny izao ihany koa dia misy sisa ihany nohon’ny fisafidianana amin’ny fahasoavana.

6Fa raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy avy amin’ny asa intsony. Fa raha izany dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana. ([Fanamarihana: Ny antontan-taratasy sasany taloha dia mamaky hoe: “Kanefa raha avy amin’ireo asa izany, dia tsy fahasoavana intsony; fa raha izany dia tsy asa intsony ny asa.”]) 7Inona ary? Ny zavatra izay notadiavin’Isiraely, dia tsy azony, fa ny voafidy no nahazo izany, ary nohamafisina ireo ambiny. 8Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: “Andriamanitra dia nanome azy ireo ny fanahin’ny fitavozavozana, maso mba tsy hahitan’izy ireo, ary sofina mba tsy handrenesan’izy ireo, mandrak’androany.”

9Ary hoy i Davida hoe: “Aoka ny latabany ho harato sy fandrika, ho vato mamingana sy valifaty ho azy ireo. 10Aoka ny mason’izy ireo hohamaizinina mba tsy hahita, ary aoka hiondrika mandrakizay ny lamosin’izy ireo.”

11Dia hoy aho hoe: “Moa ve tafintohina ireo mba ho lavo?” Sanatria anie izany. Fa kosa, avy amin’ny fahalavoan’izy ireo, no nahatongavan’ny famonjena teo amin’ireo jentilisa, mba hampialona azy ireo. 12Ary raha ny fahalavoan’izy ireo no haren’izao tontolo izao, ary raha ny fahaverezan’izy ireo no haren’ireo jentilisa, dia manao ahoana ny halehiben’ny fahatanterahan’izy ireo?

13Fa ankehitriny dia miresaka aminareo Jentilisa aho, ary raha mbola apostolin’ireoJentilisa aho, dia mankasitraka ny fanompoako. 14Angamba hampialona ireo izay avy amin’ny nofoko manokana aho. Angamba hamonjy ny sasany amin’izy ireo isika.

15Fa raha midika fampihavanana an’izao tontolo izao ny fandavana azy ireo, dia inona no handraisana azy ireo izany fa fiainana avy amin’ny fahafatesana? 16Raha voatokana ny vokatra voalohany, dia ny ampahany amin’ny kobam-bary koa. Raha voatokana ny fakany, dia toy izany ihany koa ireo rantsany.

17Fa raha notapahina ny rantsana sasany, ary raha ianao, sampana olivadia, no natambatra teo amin’izy ireo, ary raha nifampizara tamin’izy ireo ny faka-mamokatry ny hazo oliva ianao, 18aza mirehareha amin’ireo sampana. Fa raha mirehareha ianao, dia tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.

19Dia hiteny ianao hoe: “Notapahina hiala ireo rantsana mba hafahako mifandray aminy.” 20Marina izany. Nohon’ny tsy finoan’izy ireo dia notapahina hiala izy ireo, fa ianareo dia mijoro tsara nohon’ny finoanareo. Aza manao ny tenanareo ho ambony, fa matahora. 21Fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’Andriamanitra, dia tsy ho avelany ihany koa ianao.

22Ary, Jereo, ny fahamoram-po sy ny fahasaro-pon’Andriamanitra. Etsy andaniny, ny fahasaro-po dia tonga amin’ireo jiosy izay lavo. Fa etsy ankilany kosa, ny hatsaram-panahin’Andriamanitra dia tonga aminareo, raha maharitra ao amin’ny hatsaram-panahiny ianareo. Fa raha tsy izany dia ho tapahina koa ianareo.

23Ary na ireny aza, raha tsy manohy amin’ny tsy finoany izy ireo, dia hatambatra. Fa Andriamanitra dia afaka mamerina manambatra azy ireo indray. 24Fa raha notapahina tamin’ny hazo oliva-dia ianareo, ka natambatra tamin’ny hazo oliva tsara, dia toy ny ahoana ny fohoaran’ny habetsak’ireo jiosy, izay sampana voajanahary, natambatra tamin’ny hazo olivan’izy ireo manokana?

25Fa tsy tiako tsy hahafantatra ianareo, ry rahalahy, ny amin’izany zava-miafina izany, mba tsy haha-hendry anareo amin’ny eritreritrareo manokana. Izany zava-miafina izany dia efa nahamafy loha ny ampahany amin’Isiraely, mandra-piavin’ny fahafenoan’ireo Jentilisa.

26Noho izany dia ho vonjena avokoa ny Isiraely rehetra, araka ny voasoratra hoe: “Hivoaka avy any Ziona ny mpanafaka. Hanala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy, 27ary izany no ho fanekem-pihavanako amin’izy ireo, rehefa hanaisotra ny fahotan’ izy ireo Aho.”

28Amin’ny lafiny iray mahakasika ny filazantsara, dia fahavalo izy ireo nohon’ny aminareo. Amin’ny lafiny iray hafa araka ny safidin’Andriamanitra, dia malala izy ireo noho ireo razana. 29Fa ireo fanomezana sy antson’Andriamanitra dia tsy miova.

30Fa ianareo dia tsy nankatoa an’Andriamanitra fahiny, kanefa ankehitriny ianareo dia nandray ny famindram-po nohon’ny tsy fankatoavan’izy ireo. 31Tahaka izany ihany koa, ankehitriny ireo Jiosy dia tsy nankatoa. Ny vokany dia tamin’ny alalan’ny famindram-po izay naseho anareo no mety handraisan’izy ireo ny famindram-po ihany koa ankehitriny. 32Fa Andriamanitra efa nanidy ny tsy fankatoavana rehetra, mba afahany mampiseho famindram-po amin’ny rehetra.

33Endrey, ny halalin’ny ireo haren’ny fahendrena sy fahalalan’Andriamanitra! Tsy takatry ny saina ireo fitsarany, ary ireo lalany dia tsy hay refesina! 34“Fa iza no nahalala ny fihevitry ny Tompo na iza no tonga ho mpanolo-tsaina Azy?

35Na iza no nanome zavatra an’Andriamanitra aloha, ka tsy maintsy hanoneran’Andriamanitra azy indray?” Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Ho Azy mandrakariva ny voninahitra. Amena.

36

Copyright information for PltULB